Sosialy

Mpivarotra efa nomen’ny CUA toerana Mihorohoro ny hoesorin’ny fanjakana


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Faly ny mpivarotra amoron-dalana eo akaikin’ny Espalanade Analakely fa nomen’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana toerana maimpaimpoana ahafahany mivarotra, nefa tsy manelingelina ny fifamoivoizana no manome endrika ny tanàna.

Tsena trano vy vaovao, izay ny mpivarotra ihany no nandray an-tanana ny fanamboarana azy no natao tamin’izany, ka nokendrena mba ho tafiditra ao anatin’io tsena io avokoa ireto farany araka ny fandaminana napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Vita tamin’ny ampahany ny asa ary efa maro no nahavita ny trano vy. Tampoka teo anefa dia voalaza, fa misy izany tetikasan’ny fanjakana izany indray tadiavin’ny mpitondra hapetraka eo amin’io toerana io, izay nampisahotaka ny mpivarotra omaly maraina. Tsy hiala eto izahay, hoy ireo mpivarotra, satria efa milamina izahay eto. Tsy mibahan-dalana, ao anatin’ny ara-dalàna, koa maninona izahay no hoesorina eto amin’ny tsena izay efa nandanianay ny volanay ? Resaka politika no antony hanesorana anay eto, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, hoy izy ireo.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT