Sosialy

Mpivarotra asa tanana -Ambohitrimanjaka Nikatona noho ny Covid 19 ny 90%


  • Zoma 15 Oktobra 2021

Ny 90%-n'ireo mpivarotra sy mpanao asa tanana eny amin'ireo trano eva eny Ambohitrimanjaka no nikatona noho ny valanaretina Covid 19, raha ny fampahafantarana voaray. Misedra olana maro izy ireo.

 Ohatra amin'izany ny tsy fahatongavan'ny vahiny, ny tsy fahafahana mandefa any ivelany ireo asa tanana vita amin'ny hazo sarobidy efa voaodina. Eo koa ny tsy fahampian'ny akora fototra. Tetsy an-daniny, ny minisitry ny asa tanana sy haitao, Sophie Ratsiraka, dia nilaza fa misy ireo lalàna tsy maintsy hiarahana midinika amin'ireo ministera isan-tsokajiny hamahana ny olana. Nohamafisiny anefa ny tokony hambolena ireo akora fototra fa tsy hitango sy handripaka azy ireny fotsiny mba hisy ho lovain'ny taranaka any aoriana sy handovan'ireo zanaky ny mpanao asa-tanana ny asan'ny ray aman-dreniny teo aloha. Fohy loatra ny fotoana nitafàny tamin'ireo mpanao asa-tanana teny amin'ny "digue Ambohitrimanjaka" ka nilaza ny tenany fa mbola hiverina eny an-toerana hifandinika lalina, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT