Sosialy

Mpivarotra Arts Malagasy - Digy Mangataka ny hanaovana baorina sy titra ny tanin’izy ireo


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Efa 23 taona izao no nampiasan’ireo mpivarotra Arts Malagasy eny amin’ny lalana digy ho any Ambohitrimanjaka (FIMPIA) iny toerana iny nefa mbola misoratra amin’izy ireo ihany ny tany.

 

 

Miisa 40 tafo izy ireo izay mandoa vola 500 Ar, ticket tsy maintsy aloa isan’andro miampy ny patanty sy ny hetran-tany tsy maintsy aloa amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nitaraina tamin’ny tale misahana ny fitarainana eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika izy ireo omaly tetsy amin’ny Live hotel Andavamamba. Betsaka ny olana sedrain’izy ireo raha araka ny fanazavan-dRazafindrabe Jeannot, filohan’ny FIMPIA. Ankoatra io tany voalaza etsy ambony io mantsy dia efa tena ratsy ny tranoheva hiasan’izy ireo nefa mandalo eny avokoa ireo vahiny avy any ivelany hiditra an’Antananarivo. Ahoron’ny vahiny daholo ihany koa ny akora fototra tokony hampiasain’izy ireo ka ambikambiny sisa no azon’izy ireo hampiasaina. Manana olana ihany koa ireo mpanao asa tanana amin’ny famoahana entana mankany ivelany. Misy amin’ireo vahiny mantsy no milaza azy ireo ho mpisoloky mihitsy noho ny fisian’ireo karazan’entana izay tsy avelan’ireo tompon’andraikitra entina mivoaka rehefa tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Mangataka ny hijerena izany ireo mpivarotra ara Malagasy mivondrona ao amin’ny FIMPIA raha tena mahamaika azy ireo kosa ny hanaovana titra sy baorina amin’ny anarany ny tany izay hivarotany. Tsiahivina fa miezaka ny mamboly hazo ihany koa izy ireo any Moramanga noho ny asa fivelomany izay mifototra tanteraka amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT