Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Tsy maintsy halamina sy harindra, hoy ny Delege


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Na dia efa nametraka ireo tsipika mavo natokana ho an’ireo mpivarotra aza ny eo anivon’ny kaominina dia mbola misy ihany ireo mpivarotra no mihoa-pefy sy mivoaka ny faritra izay voafaritra natokana ho azy ireo.

 

 Nambaran’ny delegen’ny boriborintany fahefatra fa ny tsipika mavo dia natokana ho an’ireo mpivarotra ara-dalàna fa ireo tsy ara-dalàna kosa tsy maintsy esorina. Tsy manapaka na manimba ny fitadiavan’ireo mpivarotra ny kaominina fa miezaka kosa mitady ny toerana hametrahana azy ireny, hoy hatrany ny delege. Miezaka ny mandamina tsena miaraka amin’ny prefe, ny polisin’ny tsena, ny polisy nasionaly ary ny polisy misatro-mavo ny kaominina, mba hisian’ny rindran-damina, hoy izy. Tsy maintsy atao izay fanatsarana sy fandaminana ny tsena izay, hoy hatrany ny fanazavana. Tokony hanaraka ny fitsipika apetraka koa ireo mpivarotra, hoy ny delege. Raha sanatria ka misy izay fivoahana amin’ny faritra natokana ho azy ireo izay, dia misy ireo tompon’andraikitra manala izany. Misy mpitondra ny tanàna, ka tsy tokony hanao izay saim-patany ireo mpivarotra fa mba hanaraka ny fandaminana apetraka. Ny mpitondra koa an-kilany, dia miezaka ny mitady vahaolana ho an’ireo mpivarotra hatrany, hoy ny fanazavan’ny delege.

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT