Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Nomena fiofanana kely ireo hivarotra etsy Behoririka


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Novoriana avokoa ireo mpivarotra miisa 800 hahazo ilay toerana vaovao etsy Behoririka,

 

 

 

 foto-drafitrasa naorin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nisy ny fiofanana kely nomena azy ireo ka nampahafantarina azy nandritra izany ny fomba fanajana sy fikojakojana ny foto-drafitrasa. Toraka izany koa ny fahaizana miara-miaina sy mandray ireo mpanjifa mba hampirindra ny fiaraha-monina. Hafa mihitsy mantsy ny fiainana niainana teny amoron-dalana sy ny anay anaty trano hoy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nomarihin’izy ireo moa fa ezahina hiitatra any amin’ny faritra hafa ny hanomezana toerana ny mpivarotra amoron-dalana tahaka izao ka anjaran’ireo mpivarotra etsy amin’ny Coum 67 ha indray izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT