Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Nalamina ny teny Antaninarenina sy Petite Vitesse


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Anisan’ny tena miteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy mandoto tanàna ireo mpivarotra amoron-dalana. Misy fotoana mantsy izy ireny milatsaka anaty arabe mihitsy no mivarotra sady tsy manadio ny toerana nialany ihany koa rehefa hariva ny andro, antony mampisavovona ny fako eny amin’ny arabe.

 

 

 

 Nanome toromarika ny amin’ny handaminana azy ireny manokana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra  Lalao Ravalomanana.  Natomboka omaly ny asa fandaminana ka teny amin’ny faritra Petite Vitesse sy teny Antaninarenina no nisantaran’ireo ekipa teknika avy amin’ny  Boriborintany Voalohany izany. Araka ny nambaran’Atoa Rakotonirina Maminiaina  lehiben’ny ekipa teknika  avy ao amin’ny Boriboritany Voalohany dia ezahana alamina sy entanina ireo mpivarotra mba hanaja ny fahadiovana mandra-pahita ny tena vahaolana maharitra ho azy ireo. Nisy ihany ireo tsy maintsy nesorina teny amin’ny toerana toy ny teny Antaninarenina. Araka ny voalazan’ity tompon’andraikitra ity hatrany dia efa misy ireo “piqueteur” izay mijanona eny an-toerana mba ho fitazonana ny filaminan’ny toerana. Mbola hitohy hatrany izany raha araka ny fantatra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT