MPIVAROTRA AMORON-DALANA

Mitombo andro aman’alina


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Mitombo andro aman’alina ireo mpivarotra amoron-dalana eto amintsika.

Tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa voakasika ihany koa ny ankamaroan’ireo kaominina ambanivohitra. Mila tsy hisy lalana hoalehan’ny mpandeha an-tongotra intsony vokatr’izany. Voatery midina any amin’ny arabe na dia ireo mpianatra madinika indrindra aza nefa mbola atahorana sao hamono ihany koa ny kodiaran-droa sy ny fiarakodia. Ho an’ny kaominina Andranonahoatra Atsimondrano manokana dia efa mila ho tonga any amin’ny Cite des Assureurs mihitsy izany mpivarotra amoron-dalana izany. Misy hatrany ireo olom-baovao tonga manoko entana sy mitady toerana isan’andro noho ny fahantrana sy ny fahasahiranana. Zaza amam-behivavy ny ankamaroan’izy ireny, izay efa tsy mianatra sy tsy miasa intsony. Tsiahivina moa fa taratry ny fahantran’ny firenena iray ny hamaroan’ireo mpivarotra ao aminy. Anisan’izany isika eto Madagasikara izay tena mampikolay ireo mpitazana tokoa.
Pati
Legende : Voatery mivarotra eny amoron-dalana tahaka izao ny olona mba hahafahany mivelona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT