Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Mitady ho fanjakana kely


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Efa fanjakana kely anaty fanjakana ve ireo mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra rehefa jerena ny zava-misy manerana ireo araben’Antananarivo ?

 

 

 Asa na mbola azon’ny rehetra an-tsaina ihany ny maha renivohitr’i Madagasikara ity kaominina iray ity fa dia samy manao izay tiany atao daholo ny mponina ao aminy. Samy manary ny fakony eny amin’ny toerana maha diavolana ny sainy ary ireo mpivarotra amoron-dalana moa dia mitady ho lasa fanjakana kely mihitsy ary izy ireo indray no sahy midingin-drambo raha misy mananatra azy. Sasa-poana ireo karazam-pikambanana toy ny ONG sy ny fiadidiana ny tanàna miezaka manome fanabeazana sy fanentanana ny amin’ny tokony hampitsaharana io fomba manelingelina ny fifamoivoizana sy mampidi-doza io saingy hita ho miha be loatra ny fitiavan-tena sy tsy fivakisan-dohan’ireo mpivarotra. Amin’ny lafiny iray ho an’ireo mpandinika fiarahamonina dia milaza fa tena sarotra atoro, sarotra beazina ny olona eto Antananarivo. Be loatra ny fitiavan-tena, tsy mivaky loha ho an’ny hafa fa dia izay maha diavolana ny saiko no ataoko. Etsy an-kilan’izay koa anefa, tsy ampy, tsy mirindra ny fanentanana na tokony hovaina mihitsy ny endrika isehoany mba hahatonga saina ny olona sy hahatsapany fa tsy mety ny ataony satria mandika ny fitsipika ka mety hanakorontana ny fiarahamonina. Tsy misy ny tena fanasaziana fa fandrahonana no betsaka. Manampy izay, misy ny kolikoly ka efa mivonona amin’izany ireo mpandika lalàna ka na tratra nanao ny tsy  mety aza dia mametraka kely dia milamina ny fiainana dia miverina amin’ny gaboraraka mahazatra ihany. Mila fifohazan-tsaina lehibe eo amin’ny mpitantana, mpitondra sy tompon’andraikitra isan-karazany ary ny vahoaka vao tafavoaka ny fanatsarana sy fampandrosoana ny tanàna. Tsy misy tanàna maloto mandroso izany.Mbola azo atao tsara ny manatsara sy manitsy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT