Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Misy tena tsy manara-dalàna no mbola mandoto tanàna


  • Talata 28 Janoary 2020

Tahaka izao hitantsika amin’ny sary izao ny fako avelan ireo mpivarotra amoron-dalana sy anaty arabe eto Antananarivo renivohitra isan’andro.

 

 

Efa tsy manara-dalàna anefa izy ireo no  mbola mandoto tanàna, ary tsy mba manana fihetsika olom-pirenena tompon’andraikitra mihitsy ka rehefa mandoto dia tokony hanadio na tsy mandoto mihitsy.  Efa  nanomboka tamin’ny taona 1993 tany ho any  anefa no niaina trangan-javatra tahaka izao isika teto an-drenivohitra. Taona maro  aty  aoriana, tsy miova ihany ny zava-misy hany ka ny kaominina Antananarivo hatrany no mahita faisana.  Mialokaloka ao ambadiky ny fahasahiranana hatrany ny ankamaroan’ireo mpivarotra amoron-dalana ary rehefa leo izy ireo dia manilika andraikitra any amin’ny kaominina hatrany. Olombelona tahaka antsika ihany anefa ireo mpiasan’ny kaominina ireo izay marihina fa milalao maloto mihitsy indraindray vokatry ny ataon’ny sasany.  Mila mivoatra araka izany isika raha te handroso,  izay tokony hiainga any amin’ny toe-tsaina mihitsy.

 

 

Pati

 

                                                                       

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT