Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Miisa 500 ireo nomena fanampiana omaly


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Mpivarotra amoron-dalana eny Analakely miisa 500 no nozaraina fanampiana Vatsy aina avy amin’ny fitondram-panjakana tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly.

 

 

Tamin’ny 9 Ora maraina no nanomboka ny fizarana ka nampidirina isaky ny vondron’olona miisa 50 mielanelana iray metatra avy mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus, raha ny fanazavana. Ankoatr’izay dia nozaraina fanampiana ihany koa ireo mpivarotra gazety miisa 300 etsy amin’ny Gymnase Ankorondrano. Ny fiadidiana ny repoblika sy ny fikambanana Fitia ary ny ministeran’ny mponina no niandraikitra izany rehetra izany. Somary nahatsikaiky sy naha lasa saina ihany na izany aza anefa ny fandaminana hita teny an-toerana na dia nilamina tsy nisy sahotaka toy ny afak’omaly aza izany satria na dia nirindra aza ny fizarana tao anaty kianja mitafon’ny ANS ary tena nanaja ny 1 metatra mahery dia hita ho mbola somary nitangorona kosa ireo olona niandry teo ivelany. Nandalo teny an-toerana nijery ny fizarana no sady nankahery ireo mpivarotra moa omaly ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT