Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Mihevitra fa mandoa “ticket”dia lasa ara-dalàna


  • Zoma 11 Septambra 2020

Saika manerana ny Renivohitra ny fivarotana an-dalambe. Tsy voavahan` ny kaominina, ny mpitandro filaminana, ny prefektiora sy ny tomponandraikitra samihafa izany.

 

 

 Mangorona entana avy hatrany ireo mpivarotra rehefa mandalo ny mpitandro filaminana saingy tsy mahafoana ny fisian` izy ireo eny an-dalana izany. Saika mpivarotra tsy ara-dalàna avokoa ny eny amin`ny sisin’arabe: mivarotra anana, pataloha, kapakapa, ranomanitra, firavaka sandoka, sns. Tsy ara-dalàna izy ireo satria dia fantatra fa tsy mandoa patanty any amin’ny mpamory hetra amin’izy ireny. Tsy hahazo faktiora na farafaharatsiny « bon de livraison » koa ny mpanjifa raha mividy entana amin’izy ireny. Mihevitra anefa ny ankamaroan` ireo mpivarotra fa matoa mandoa “ticket” ho an` ny kaominina ho hofan-tsena dia ara-dalàna izy. Raha tsiahivina, ny mpivarotra dia voasokajy amin`ireo mpandoa hetra Tambatra (Impots synthétiques). 16.000 Ar ho an’ireo mpamboly, mpiompy, mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika, mpitatitra mampiasa fiara tsy misy maotera (sarety, posy, lakana, sns… 50.000 Ar ho an’ireo mpanao asa tanana, mpivarotra sakafo madinika (gargôty), mpamokatra madinika. 100.000 Ar ho an’ireo mpiasa tanana momba ny harena an-kibon’ny tany, mpanakanto sy ny mitovitovy amin’izany, mpivarotra, mpitantana trano fandraisam-bahiny, mpitao asa, mpitantana trano fisakafoanana. 100.000 Ar ho an’ireo mpiasa tanana momba ny harena an-kibon’ny tany, mpanakanto sy ny mitovitovy amin’izany, mpivarotra, mpitantana trano fandraisam-bahiny, mpitao asa, mpitantana trano fisakafoanana. 150 000 Ar ho an’ireo asa tena sy hafa, anton-draharaha marobe, toy ireo mpivarotra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT