Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana etsy Analakely Miantso fifampiresahana haingana


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Raikitra indray ny fangalam-piery teny Analakely sy manodidina. Rehefa tonga eny an-toerana ny polisy nasionaly sy ny polisy monisipaly dia vaky tady mandositra ireo mpivarotra.

 

 

Mifanenjika ny roa tonta mandrampaharivan` ny andro izany. Raha tsiahivina dia nanomboka ny sabotsy 10 oktobra teo no nanomboka ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo mpanamboatra finday izay manamorona ny “avenue” etsy Analakely. Nanome toky ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) fa omena toerana izy ireo saingy hatreto aloha dia mbola manjavozavo izany fanapahan-kevitra izany ka raisin` izy ireo ho fanesorana azy ankolaka. Herinandro aty aoriana mantsy dia mbola tsy misy toerana voafaritra. Miantso ny famahana ny olana haingana ireo mpivarotra amoron-dalana nanaovana fanadihadiana. Raha ny fitarainana ataon` izy ireo mantsy dia izay entana lasan`ireo polisy nasionaly monisipaly dia tsy misy miverina intsony izay lasa fatiantoka. Ny hita aloha, tsy mahafaka ireo mpivarotra amoron-dalana ireo polisy sy ny mpiasan`ny kaominina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT