Mpivarotra amoron-dalana eto Iarivo

Hangotraka ny fandrarana sy fanesorana...


  • Talata 18 Martsa 2025

Nilatsaka ny didy! Tsy mahazo mivarotra intsony ny mpivarotra amoron-dàlana

amin'ny toerana maromaro manomboka rahampitso, araka ny didy navoakan'ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Lohalaharana amin'io Analakely sy ny manodidina. Efa manomboka mihantrana ny polisy monisipaly ! "Miroso amin'ny fandaminana ny tanàna isika", hoy ny fampahafantaran'ny Ben'ny tanàna Harilala Ramanantsoa omaly tolakandro. Ny Alakamisy izao no mihatra ilay fepetra fanesorana ireo mpivarotra voakasika amin'ny toerana fivarotany. Tsy ny mpivarotra amoron-dàlana ihany fa ho voakasiky ny fandaminana ihany koa ireo mpivarotra tsakitsaky sy zava-pisotro amin'ny alina, raha ny tatitra. Milaza ny tsy hanaiky izany fanapahan-kevitra ambaran’izy ireo fa tampoka izany ny fikambanan'ny mpivarotra, izay manizingizina fa nandoa vola ara-dalàna na ny notakiana tamin’ny horodateur, digitalisation,… Misy milaza ny tsy hiala raha tsy omena toerana hamindrana. Miantso fifampiresahana amin'ny mpitantana ny tanàna ny fikambanan'ny mpivarotra sasany. Miankina amin'ny tohin'izay ny mety hitohizan'ny hetsika. Andaniny, nilaza ny ben’ny tanàna Harilala Ramananstoa fa misy ireo karatry ny mpivarotra nampiasaina tamin’ny digitalisation, saingy nambarany fa tamin’ny taona 2023 ireny no nanan-kery farany. Hanao fandaminana isika, ka halalahana ny làlana ho an’ny mpandeha an-tongotra, hoy ny Ben’ny tanàna. Niantso ireo mpivarotra voakasika ho avy eny amin'ny tranompokonolona Isotry ny mpitantana izay milaza fa eny no handraisana ny anaran'izy ireo, hirosoana amin'ny fandaminana. Mivory avy eo, ary hampahafantarina ny toerana hivarotany. Anjara asan'ny Kaominina ny mampanaja ny lamina sy ny fepetra, mametraka ilay hoe: ny lalana ho an'ny fiara, "trottoirs" ho an'ny mpandeha, tsena ho an'ny mpivarotra,... Tsy hisy fampandrosoana sy firindrana hipetraka rehefa tsy tafapetraka ny lamina, ary tahaka izany no mampirindra ireo tanàn-dehibe madio sy milamina eran-tany. Eo ihany koa anefa andaniny ny lafiny maha olona satria tsy an'asa, mamelona fianankaviana ny mpivarotra,... Mitaky fandanjalanjana sy paikady mahomby ihany mazava ho azy ny fanalana mpivarotra. Endrika iray maneho fa mahantra sy sahirana ny Firenena, mila manana politika ara-toekarena mahomby, mila famoronan'asa,... Andrasana ny tohiny !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT