MPIVAROTRA AMORON-DALANA ENY ANALAKELY

Hatsofoka amin’ny «rue piétonne », 3 andro ihany no afaka mivarotra


  • Zoma 19 Aprily 2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

renivohitra omaly Alakamisy 18 Aprily hariva ho tohin’ny fandaminana ny tsena eo Analakely. Tsy azo hivarotana intsony ny sisin-dalana manomboka izao araka ny lamina mifehy ny firindran'ny tanàna. Ny arabe dia natokana ho an'ny fiara irery ihany, ny sisin-dalana ho an'ny mpandeha an-tongotra ary ny tsena ho an'ny mpivarotra. Mba ho fitsinjovana ireo izay mivelona amin'ny fivarotana amin'ny sisin-dalana anefa dia hanomboka amin’ny 26 Aprily ho avy izao ny fametrahana rue pietonne na ny lalana hifamezivezen’ny mpandeha an-tongotra. Hiainga eo amin’ny Tsangambaton’ny SIDA izany ka hatreo amin’ny biraon’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra , antony hanapahana ny fifamoivoizana manomboka amin’ny Zoma ka hatramin’ny Alahady. Ao anatin'io "rue pietonne" io mantsy no hametrahana ireo mpivarotra izay esorina amin'ny "trottoir" eny Tsaralalàna , Analakely, manoloana ny Institut d'hygiène social, ambanin'ny arcade Analakely. Afaka mivarotra ao anatin'io faritra voatokana io ireo mpivarotra manomboka ny zoma hatramin'ny alahady. Foana kosa izany manomboka ny Alatsinainy ka hatramin'ny Alakamisy. Tsy handoavam-bola moa ny fampidirana ireo mpivarotra izay efa ao anaty recensement ao anatin’io tsena io mandritra ny hateloana. Aorian'ny Alahady dia misy fanadiovana tanterahan'ny avy eo anivon'ny vondron'ny mpamonjy voina isaky ny Alahady hariva mba famerenana amin'ny laoniny ny toerana. Mbola hodinihina amin’ny manaraka kosa ny momba ireo fiara karetsaka sy ny toby fiantsonan’ny taxibe sasany.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly hariva !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT