Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana eny Ampasampito Tsy maintsy hesorina


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Mikolay amin’ny ataon’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna eny Ampasampito ny ankamaroan’ireo taksibe sy olona mivezivezy eny an-toerana.

 

 

 

 Alohan’ny amin’ny 8 ora maraina mantsy dia efa feno azy ireo ny lalana ka voatery mandeha eny afovoan’ny arabe ny mpandeha an-tongotra. Mitohy amin’ny 4 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina indray izany. Raha araka ny fanazavan’Atoa Rakotobe Richard, delegen’ny Boriborintany fahadimy omaly dia manararaotra ny tsy fahafahan’ireo olona ampiasain’ny boriborintany hanara-maso azy ireo, ireo mpivarotra tsy ara-dalàna. Voairaka manadio tata-drano any amin’ireo Boriborintany namana hafa avokoa mantsy ireo mpanara-maso ireo izay nohamafisiny fa tsy maintsy hiverina. Amin’izay fotoana izay hoy izy dia tsy hisy hanelingelina ireo  mpandeha an-tongotra sy taksibe intsony ireto mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna ireto.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT