Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Efa hanamboatra toerana ho azy ireny ny kaominina


  • Alarobia 11 Jolay 2018

Mariky ny fahantran’ny firenena iray ny hamaroan’ireo mpivarotra ao aminy.

Anisan’izany isika eto Madagasikara izay saika lasa mpivarotra avokoa ny ankamaroan’ny mponina. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra manokana dia mila tsy ho azo diavin-tongotra intsony ny eny Analakely ka ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra indray no lasa mihafihafy.  Raha araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny kolonely Ramboasalama Emilien dia efa am-pitadiavana ny vahaolana mifandraika amin’izany izy ireo ankehitriny. Lohalaharana amin’ireny ny fanamboarana ilay tsena lehibe sy vaovao etsy amin’ny Petite Vitesse Isotry. Efa mandeha ny tolo-bidy ho an’izay orinasa vonona ny handray an-tanana ankehitriny ka amin’ny volana desambra ho avy izao no kendrena ho vita ny asa. Nambarany fa mitohy ny fanaraha-maso ireo mpivarotra manao hadalana. Ireo tena mampikatso ny fifamoivoizana no voakasika. Ao koa ireo tsy manome lalana ny mpandeha an-tongotra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT