Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana Betsaka ireo tsy manana toeram-panariana rano maloto sy fako


  • Alarobia 18 Jolay 2018

Tsy manana toeram-panariana fako sy ny rano maloto avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra amoron-dalana eto amintsika.

Tsy mijanona eto an-drenivohitra ihany izany fa manerana ny faritra mihitsy ka tsy vitsy ireo manipy rano feno vary masaka avy nanasana  lovia eny amin’ny arabe…Mahatratra 1 miliara ariary anefa amin’izao ny manamboatra lalana tara 1 km eto amintsika, antony manosika ny kaominina hanadio sy hanao fanentanana tsy mitsahatra ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra. Tsy andraikitry ny kaominina irery anefa ny fampianarana ireny  mpivarotra ireny fa manana adidy ihany koa ny fokontany ao amin’ny faritra misy ilay mpivarotra. Ho an’ireo fokontany vitsivitsy nanaovanay fanadihadiana teto an-drenivohitra dia betsaka amin’izy ireny no efa midina ifotony manara-maso ny fako haparitaky ny mpivarotra ka tsy maintsy madio hatrany ny faritra hipetrahany ny mpivarotra iray maraina sy hariva. Misy ihany koa ireo misava ny toerana fanariana rano maloto mihitsy mba hiarovana ny arabe tsy ho simba, indrindra fa ny eto an-drenivohitra.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT