Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana 850 isa ireo nomena karatra hiditra etsy Behoririka


  • Alatsinainy 22 Martsa 2021

Raikitra ny fampidirana anaty tsena ireo mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra.

 

 

Miisa 850 no notoloran’ny kaominina Antananarivo renivohitra karatra nomerika tamin’ny sabotsy teo, hahafahany mandray ilay toerana vaovao ao amin’ny tsena natsangan’ny kaominina etsy Behoririka. Nambaran’ny Ben’ny tanàna nandritra izany fa tsy azo ekena intsony ny fivarotan’izy ireo eny amoron-dalana hahafahana miady amin’ny fitohanana sy handrindrana ny fifamoivoizana. Avela halalaka izy ireo ao anatin’ny iray volana ka ho maimaimpoana ny haban-tsena raha hiakatra kosa ny saran’izany aorian’izay. Nampahafantarina ireo mpivarotra moa nandritra izany ny fitsipika sy fandaminana ara-teknika hitantanana ity tsena vaovao ity. Tsena madio sy milamina, hanomezana asa fivelomana sy endriky ny tanana mantsy no tanjon’ny kaominina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT