Sosialy

Mpivarotra ambony « trottoir » Angaha tsy efa izao no nanenjehana ny teo aloha ?


  • Alatsinainy 10 Janoary 2022

Raikitra ny fanoritsoritana làlana mba hametrahana mpivarotra hivarotra eny ambony “trottoir” izay tokony ho an’ny mpandeha an-tongotra,

 ataon’ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo tarihin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina. Isan’ny nanenjehana mafy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny i oteo Analakely, fony ity farany nanoritra nyy árabe mba ahafahan’ireo mpivarotra amoron-dàlana. Miverina anefa izany ankehitriny ka aiza ny vava be natao sa rehefa ny hafa no misioka dia vorondolo fa rehefa ny tena dia voromanga? Tamin’izany nolazaina fa mpanome vahana ny tsy ara-dalàna, vao tonga teo tao anatin’ny krizin’ny coronavirus, tsy nijerena fiainan’olona sy fiveloman’olona fa raikitra hatramin’ny fandrodanana tsena koa nahoana amin’izao no miditra amina zavatra tsy manjary manome vahana ny tsy ara-dalàna? Mila hanaka-danitra ny vavan’ny Rtoa iray izay minisitra tao anatin’ny governemanta fony ny Fitantanan-dRtoa Lalao Ravalomanana ny tanàna tamin’io resaka fanoritsoritana ny “trottoir” sy ny làlana hivarotana io, ka asa hiteny sa hoe: rehefa ny namanay no manao tsy olana fa Rtoa Lalao Ravalomanana mihitsy no tsy tianay tamin’ireny? Sa ankehitriny efa miova ny tarigetra ka izay ahazoana vola mety daholo ? Mahamenatra .
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT