MPIVARO-TENA ENY AN-DALAMBE

Miaiky fa resin’ireo mpisera amin’ny Facebook


  • Talata 19 Septambra 2023

Toa ny asa rehetra dia tsy mitsaha-mivoatra ihany koa ny asa fivarotan-tena ankehitriny indrindra fa ho an’ny vehivavy.

Na dia voasokajy ho asa antitra indrindra aza izy ity manerantany dia mihatanora kosa raha ny fahaizan’ireo tanora tovovavy milalao azy mba hanomezana hafinaretana ny nofo. Anisan’ireny ny asa fivarotantena ho an’ireo misera amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Tsy mila mivoaka ny trano akory izy ireo fa mandefa sary manaitaitra sy mametraka laharam-pinday dia tonga ireo te-hanjifa azy. Tsy vitan’izay fa efa maro amin’izy ireny no efa manana trano vonona. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana ohatra dia misy andiana tovovavy miisa 4 izy ireo no mikambana ary manofa trano lafolafo. Mifandimby izy ireo isaky ny mahazo lehilahy iray ka samy mandoa ny anjarany rehefa tonga ny faran’ny volana. Mbola mpianatra ny ankamaroan’izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao saingy noho ny fahantrana dia lasa manaotao foana. Mahatsiaro no resin’izy ireny tanteraka ireo mpivaro-tena eny an-dalambe noho izany. Tsy dia misy manjifa firy intsony mantsy izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao indrindra fa amin’izao fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra izao. Maina tanteraka ny tsena hoy ny Renim-pianakaviana iray noho ny hamaroan’ny mpifaninana izay efa tena avo lentabe avokoa. Ho an’ireo tovovavy efa manana fomba fiasa manaraka ny toetr’andro moa dia fantatra mitondra 30.000 Ar isan’andro mody izy ireny raha kely. Fa mahavotra aina mba hividianana fanafody tokoa ve izany vola azon’izy ireny raha toa ka sendra olona manjifa azy tratran’ireny areti-mandoza SIDA na hepatite B ireny izy ireny ?
Pati
Legende : Tsy dia mahazo vola firy intsony ireo mpivaro-tena eny an-dalambe amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT