Sosialy

Mpivaro-tena amin’ny facebook 13 taona no zandriny indrindra


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Tena mampihoron-koditra ny zava-misy iainan’ny tanora ankehitriny. Mirongatra sy mahazo vahana tanteraka mantsy ny asa fivarotan-tena amin’ny alalan’ny aterneto na ny tambajotran-tserasera Facebook.

13 taona no zandriny indrindra amin’izy ireny izay marihina fa miaraka amin’ny namany maromaro. Trano iray ihany no hofain’izy ireo ka io no hifandimbiasany handraisany ireo mpanjifany. Manomboka amin’ny 15.000 Ar ny adin’ny iray ka hatramin’ny 40.000 Ar eo ho eo. Amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera Facebook izy ireo no mamoaka sary manaitaitra ireo lehilahy sendra mahita izany. Misy mahavita miboridana mihitsy aza ny sasany ka ny endriny sisa no takonany. Rehefa tonga ao amin’ilay toerana hatoron’izy ireo ilay lehilahy hanjifa azy dia hanontaniany ny anaran’ilay vehivavy nampiresaka azy tamin’ny Facebook ka izay no hahafantaran’ny tsirairay ny mpanjifany. Raha araka ny fantatra moa dia efa roa taona teo ho eo izay no nampirongatra ity asa fivarotan-tena amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ity. Saika ahitana azy ireny avokoa ny faritra maro eto an-drenivohitra ary mbola mpianatra ny ankamaroany.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT