Sosialy

Mpivady miady Folo isan’andro ny tranga misy eny Andraisoro


  • Alakamisy 24 Janoary 2019

Mirongatra ny adin’ny mpivady ao amin’ny fokontany Andraisoro. Raha ny fanazavan-dRasolofomanana Rolland, lehiben’ny vaomieran’ny fandriampahalemana ao an-toerana dia mahatratra folo isan’andro ny fitarainana voarain’izy ireo.

 

  Ny famonoana, ny fandroahana, ny fampirafesana dia saika hita ao  avokoa arahin’ny tsy fodiana an-trano sy ny tsy fanomezana vola. Ny 90 %-n’ireo tranga ireo dia saika hadisoana avy amin’ny lehilahy avokoa. Misy manao ihany ny vehivavy fa vitsy. Nomarihiny fa miezaka ny tsy mampisaraka ny mpivady velively ny fokontany fa mitady izay hampihavanana azy ireo hatrany. Raha mahatratra folo mantsy ireto farany isan’andro no tonga manatona azy ireo  dia ny enina amin’ireo no mangataka fisintahana kely mandritra ny fotoana maharitra aloha saingy tsy voatery hoeken’ny fokontany avokoa. Ny olana dia saika vokatry ny filàna avokoa no manosika ireo mpivady sasany hangataka izany nefa raha tratra marina tokoa izy ireny, hananana porofo  mazava dia vao mainka hanatevina ny fanenjehana azy. 20 taona no kely indrindra amin’ireo mpivady ao amin’ity fokontany iray ity ary 50 taona no zokiny indrindra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT