Sosialy

Mpitarika posy ao Toamasina Niasa avokoa omaly maraina,efa azo ny fanampiana


  • Talata 07 Aprily 2020

Tsy nahandry ny fanampiana tokony hozaraina ho azy ireo ireo mpitarika posy ao Toamasina omaly maraina ka nivoaka nikasa hiasa mba hitady vola avokoa.

 

 

 

Feno azy ireo ny araben’ny fahaleovantena izay samy mahatsapa ny hamafin’ny fihibohana avokoa nefa tsy mifanaraka amin’izay akory ny fanohanana sy ny fanampiana tokony entin’ny fitondram-panjakana. Voatery nandamina azy ireo ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy Rtoa Naharimamy Irmah noho izany mialohan’ny nanatanterahany fotoam-bavaka niarahana tamin’ireo filoham-piangonana ao anatin’izao fankalazana ny herinandro masina izao. Ankoatra ny vary dia nozaraina menaka sy kojakoja maro samihafa ihany koa izy ireo hiatrehany ny fiainany ao anatin’izao fihibohana mialohan’ny fetin’ny Paska izao. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka moa no nandraisan’ireo mpitarika posy ny fanampiana izay nozaraina ampahibemaso ary tsy nisy fanavakavahana. Nanotrona ny ministra tamin’izany ireo tompon’andraikitra ao an-toerana sy ny mpitandro ny filaminana.Tsara ho marihana fa ao anatin’ireo faritra nandraisana fepetra hentitra kokoa toa an’Antananarivo sy Fianarantsoa i Toamasina I sy II nohho ny efa fisian’ny olona voan’ny Coronavirus ao aminy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT