Sosialy

Mpitantana fotodrafitrasa sy mpanadio tanàna Nankasitrahana manokana ny teny amin’ny boriborintany voalohany


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

Nanatanteraka sakafom-piraisana niaraka tamin’ireo fikambanana izay mpitantana fotodrafitrasa eny anivon’ireo fokontany 44,

 

teny amin’ny PK-O Soarano, ireo ekipa mpitantana ny Boriborintany voalohany omaly. Izao no natao dia hankasitrahana azy ireo izay mpiaraka manao fanadiovana faobe amin’ny Boriborintany voalohany isaky ny talata. Araka ny nambaran’ny lefitra faharoan’ny Delegen’ny Boriborintany Voalohany, Heriniaina Razanadrakoto, dia tsy voatery asa foana no hifanotronana fa tsara ihany koa raha mba misy ny fotoana toy izao, hifampaherezana. Amin’ny 1 maraina, hoy izy, ireo no mifoha manome rano ny vahoaka ary tsy miala raha tsy amin’ny 10 ora alina. Saika voadiony avokoa hatramin’ny elakela-trano faran’izay tsy hita. Miezaka izy ireo mampianatra ny olona hanaja fahadiovana satria rehefa tsy mandoto dia efa naman’ny manadio. Izany no antony hametrahana ireny fitoeram-pako isaky ny arabe sy elakela-trano ireny ary ampihetsehana ilay rafitra RF2 ihany koa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT