Sosialy

Mpisotro Coca cola Olona 2 tapitrisa hotolorana loka daholo


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Efa hatramin’ny taona 1953 no nampifaly ireo mpankafy azy ny zava-pisotro Coca cola, hoy ny tomponandraikitr’ity orinasa ity eto amintsika.

 

Ho fanomezana fahafaham-po sy fankasitrahana ireo mpisotro malagasy azy io ary dia hisy ny fifaninanana mety ahazoana loka goavana toy ny Smartphones sy Tablette, eny fitsangantsanganana mihitsy aza ho an’ireo mpanjifa miisa 2 tapitrisa voatsabo amin’ny alalan’ny kaody misoratra anaty tavoahangy 1 litatra sasany misarona mavo. Hisy ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny orinasan-tserasera Telma ary haharitra 10 herinandro ny lalao. Isaky ny alatsinainy kosa ny fisarihana manomboka ny 9 septambra ka hatramin’ny 4 novambra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT