Sosialy

Mpisoloky any Antsiranana Nalefa any am-ponja izy 3 mianaka


  • Zoma 22 Mey 2020

Lehilahy iray 33 taona misoloky ho mpiasan’ny fitsarana sady « inspecteur » eny anivon’ny fonja sy ny vady andefimandriny izay vao 40 taona monja nisoloky ho mpampivelona ary ny zanaka anadahin’’

 

ity farany 24 taona no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny FIP tao amin’ny fokontany Ambalavola kaominina Antsiranana I noho ny resaka fisolokiana. Misoloky ho mpivarotra vary mora ihany koa izy ireo ka hangalany vola « avance » avokoa ireo olona liana amin’izany. Vao azon’ireo anefa ny vola dia lasa mitsoaka mifindra toeran-kafa hasiana indray izy ireo. Matetika mifindra trano izy ireo araka izany ka tao amin’ny fokontany fahatelo nipetrahanay izao nahatrarana azy ireo izao. Efa maro ireo olona lasibatra amin’ny asa ratsin’ireto olona ireto nanomboka ny volana Martsa lasa teo izay fotoana nifindran’izy ireo tao antampo-tananan’Antsiranana. Nahatratra 6.570.000 Ar ny vola efa azony araka izany. Natolotra ny fitsarana tamin’ny talata lasa teo moa izy telo mianaka ary efa naiditra am-ponja vonjimaika

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT