MPISITRAKA ILAY VOLA ZARAIN’NY FID

Mitaraina ho tsy mbola nahazo ilay ampahany faharoa


  • Talata 18 Martsa 2025

Betsaka amin’ireo olona nisitraka ilay fanampiana avy amin’ny FID,

no mitaraina indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Vao ilay ampahany voalohany 100.000 Ar ihany mantsy no azon’izy ireo hatreto ho an’ireo Fokontany sasany fa ny ambiny tsy nisy tohiny. Raha araka ny fitarainana Renim-pianakaviana iray dia efa ho 2 volana izao no nampanantenaina azy ireo ilay ambiny 150.000 Ar saingy hatramin’izao tsy mety tonga. Hetahetan’izy ireo araka izany ny hamoahan’ny Fitondram-panjakana io vola fanampiana amin’ny alalan’ny FID io mba hahafahan’izy ireo manatevina ny asa fidiram-bola hataony. Ho an’ny Fokontany Ambaniavatra kaominina Fenoarivo dia fantatra fa nivoaka afak’omaly Alahady 16 Martsa ny lisitra faharoa voalasa ho efa nahitsy. Be antitra maromaro no fantatra fa tafiditra ao anatin’izany, indrindra fa ireo tena tsy manam-piahy. Ho azy ireo dia fantatra fa omena indray mandeha ilay lela-vola 250.000 Ar hanatsarany ny velon-tenany izay marihina fa arahina fanaraha-maso tsy tapaka. Mbola tsy fantatra kosa anefa izay fotoana tena hivoahan’izany.
Pati
Legende : Mitangorona tsy mahalala maty intsony ny olona mijery ny anarany tao anatin’ilay lisitra faharoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT