Sosialy

Mpisehatra ara-tsosialy Hivondrona anatina holafitra


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Marary ny firenena ho an’ireo mpisehatra ara-tsosialy na ny travailleurs sociales eto amintsika.

 

 

 

 

 Betsaka ireo karazana tetikasa tokony hotanterahina hoy izy ireo  nefa tsy mety  tontosa  noho ny tsy fanomezan-danja ireo mpisehatra ara-tsosialy manana diplaoma.  Lohalaharana amin’ireny ny  fiarovana  ireo marefo eny anivon’ny fiaraha-monina toy ny ankizy,  ny zokiolona, ireo manan-kilema… Manoloana izany dia fantatra fa nanangana komity mpandrindra izy ireo. Aorian’izay dia hatsangana ny holafitra hivondronan’ireo mpisehatra ara-tsosialy rehetra hahafahan’izy ireo mifanampy sy mifanome tanana. Nivoitra ireo omaly nandritra ny fankalazana  ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpisehatra ara-tsosialy. Teny amin’ny ISTS Mandrimena no nanatanterahana izany ka ankoatra ny fampahafantarana ny anjara andraikitry ny mpisehatra ara-tsosialy eny anivon’ny fiaraha-monina dia nisy ihany koa famelabelarana notanterahin’ireo tanora mivondrona ao anatin’ny “Groupement des travailleurs sociales de Madagascar”, notarihin’Atoa Lanto Raobivelo. Raha tsiahivina moa dia natao hampirindra ny fiainan’ny olombelona sy ny fiaraha-monina misy azy no asan’ny mpiantsehatra ara-tsosialy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT