Sosialy

Mpisehatra ara-barotra Manomboka mailo manoloana ny krizy


  • Alarobia 09 Mey 2018

Hita ho kaodikaody be ihany ny mpanao hetsika ara-barotra manoloana ny krizy politika misy eto Madagasikara. Rehefa fotoana manakaiky ny fetin’ny reny tahaka izao dia maro no mamandrika toerana hanaovana dokambarotra, araka ny tatitry ny tompon’andraikitra iray.

Amin’izao anefa tsy mbola sahy miroso amin’izay mety ho seho mahazatra atao isan-taona ireo mpiara-miasa mpanao hetsika ara-barotra ato aminay, hoy ihany izy. Matahotra ny mety ho fiantraikan’ny krizy atsy ho atsy ny rehetra ka mailo amin’ny fampiasam-bola ataony. Misy fiantraikany tsikelikely amin’ny sehatra maro samihafa ity olana ara-politika ity. Ankoatra ny sehatra ara-barotra mantsy dia efa voakasika tsikelikely koa ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana sy ny asam-panjakana any anaty birao any. Mila mandefitra ny mpitondra izay fototry ny olana satria mihapotika hatrany ny toekarena ary miha sarotra hatrany ny fanarenana izany satria mila taona maro indray.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT