Sosialy

Mpisehatra amin’ny kanto Vatsy hatramin’ny 1000 no hozaraina


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Nizara fanampiana ho an'ireo artista Malagasy avy amin'ny lafi-kanto samihafa ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly.

 

 

Vatsy tsinjo 1000 isa no entina hozaraina ho an'ireo mpikanto ireo. Niainga tamin'ny fandaminana niarahan'ny federasiona ivondronan'ny mpisehatra samihafa, tahaka ny hoe mpihira, ny mpanao sarimihetsika sy ny maro hafa, sy ny teo anivon'ny Minisitera no nahafahana nijery ireo izay tena mila ny fanampiana, araka ny fanazavana. Ireo federasiona ireo no nandray ny fanampiana ary hizara izany amin'ny mpikanto iray vondrona aminy. Anisan'ireo misedra fahasahiranana amin'izao fihibohana izao ihany koa ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny kanto noho ny tsy fahafahana manatanteraka seho sy hetsika.

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT