Sosialy

Mpilalaon’ny Barea tsy tonga Hita ihany ilay fahabangana


  • Talata 13 Oktobra 2020

Na dia azo lazaina ho azo hitarafana ny mety hoavin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra aza ireo lalao fitsapana miisa 2 vita hatreto dia hita ihany ny fahabangan’ireo mpilalao tsy tonga niatrika ireo fampivondronana in-droa miantoana tany Luxembourg ny 9 oktobra teo sy omaly 12 oktobra tatsy Maraoka.

 

 

 

 Saika nanamarina izany ny ankamaroan’ireo mpankafy ary azo lazaina ho lojika ihany satria saika toerana tsy misy mahasolo hatreto ny ankamaroany. Mpanafika sy mpandrindra lalao i Carolus Andrea na Carolus Andriamahitsinoro. Sady irakiraka mpiaro eo afovoan’ny kianja I Ibrahim Amada no mpanavotra baolina ihany koa na hoe “milieu défensif et Récupérateur”. Manampy azy ao amin’izay fifehezana ny toeran’ny “milieu défensif" izay moa i Rakapy, Abel Anicet. Aty amin’ny elatra havia sy havanan’ny kianja kosa no misy an’i Jerome Mombris sy Romain Metanire ary ity vodilaharana amin’ny elatra havanana voalaza farany teo ity no tena niharihary ny tsy fisiany tao afara tao omaly. Ankoatry ny fametrahan-drizareo amerikanina ny maha “The machine” azy noho ny angovo sy hazakazany mampitolagaga dia tsy nahitana tolo-davitra na “centrage” fanaony mihitsy koa ny lalao nifanandrinan’ny Barea tamin’ny Burkinabe omaly.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT