Sosialy

Mpikarakara lanonana Mangataka ny avela hiasa


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Nivondrona nanao fanambarana tetsy 67ha omaly ireo mpikarakara lanonana amin’ireny toerana fandraisana izany ireny na Espace.

 

Mpikarakara sakafo, mpaka sary, mpikarakara momban’ny jiro, mpanentana lanonana, mpandihy, sy ny maro hafa dia saika nahatonga solontena teny avokoa. Nangataka amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ny amin’ny mba hamelana azy ireo hiasa amin’izay aorian’izao fihibohana andiany fahatelo izao. Hanaja ny lamina toy ny elanelana 1 metatra, ny fanasana tanana, ny fitondrana arotava, fanasana tanana sy fitsapana hafanana izahay, hoy izy ireo. Mangataka fanalefahana fandoavan-ketra ihany koa izy ireo, fampitomboana ny ora iasana mba tsy ho hatramin’ny 1 ora tolakandro ihany, mba tsy ho 50 isa fotsiny ihany koa no isan’ny mpanotrona. Mangataka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo na ho an’ireo mpikarakara lanonana izany na tompona toeram-pilanonana satria mampiasa olona maro sy manana fandaniana maro toy ny hetra sy ofan-trano, hoy hatrany ny fanazavana.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT