Sosialy

Mpifindra monina avy any Atsimo An’aliny no efa any tonga any Boeny


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Efa tafakatra an’aliny ny isan’ireo mpifindra monina avy any Atsimo mamonjy ny Faritra Boeny amin’izao. Miisa 80 kosa ireo tonga eto Antananarivo afak’omaly ary mikasa ny hanohy ny diany any Mahajanga.

 Anisan’ny antony tsy mampaharisika ireo mponina hijanona any Atsimo ny tsy fisian’ny rotsak’orana. Toraka izany ihany koa ny asa fivelomana ka aleony mamonjy toeran-kafa. 100.000 Ar isan’olona no saran-dalana tsy maintsy tadiavin’izy ireo amin’izany tsy misy sakafo fa mihafy hatrany eny an-dalana raha zaza amam-behivavy avokoa ny ankamaroany. Tsy mora ho an’ny faritra Boeny araka izany ny mandray ireto mpifindra monina ireto. Maro mantsy ireo zavatra efa nopotehin’izy ireo tany an-toerana hoy ny governor Mockatr Salim. Anisan’ireny ireo ala amin’ny velaran-tany 3 000Ha izay tantanin’i Madaconsult ‚ raha toa ka mbola ala mikitroka izany tamin’ny taona 2010 hatramin'ny 2013.Marihina moa fa nanokanana velaran-tany 117ha ‚ hambolena katsaka ‚ mangahazo ‚ zana-kazo fihinam-boa ... izy ireo. Hisy ny fampiofanana omena azy ireo. Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpifindra monina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT