MPIFINDRA MONINA AVY AMIN’NY FIRENEN-KAFA

Fianakaviana 500 monina eto Antananarivo, nomena fanampiana


  • Alatsinainy 24 Martsa 2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny

tonga mipetraka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Avy amin’ny firenena miisa 18 izy ireo toy ny atsy Afrika, Pakistan, Togo, Malie, Cote d’Ivoire… Ny 95%-n’izy ireo dia fantatra fa monina eto Antananarivo avokoa saingy tsy mbola miasa. Raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny Association Musulmane Ahmaddiya de Madagascar etsy Andavamamba anefa dia olona ara-dalana izy ireo saingy noho ny resaka finoana sy politika dia voaraoka niala tany amin’ny taniny. Nozarain’ny Fikambanana fanampiana izy ireo omaly Alahady 23 Martsa nahitana, vary, ronono, varim-bazaha, menaka, voamaina, siramamy….Tafiditra ao anatin’ny famaranana ny iray volana masina Ramadany ny hetsika raha avy amin’ny ONG Humanity First avy atsy Allemagne kosa ny fanampiana izay efa manampy ny fikambanana hatrany isan-taona. Tanjona ny hahafahana manampy ireo fianakaviana miisa 500 ireo noho izy mbola tsy manana anton’asa handraisan-karama isam-bolana toy ny olon-drehetra. Mpino Mozilimana ny ankamaroan’izy ireo saingy nahazo fanampiana daholo kosa na dia avy amin’ny finoana hafa aza, fiaraha-miasa tamin’ny CDA Andohatapenaka. Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona tera-tany Pakistanais iray izay nalana tany amin’ny taniny ary mipetraka eto Antananarivo dia noho ny resaka finoana no nananany olana tany amin’ny taniny. Nambarany fa miady hatrany ny olona ao Pakistan no sady manimba ny trano fivavahana, antony
Pati
Legende : Samy nahazo fanampiana tahaka izao avokoa izy ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT