Mpifankatia tsy ampy taona niara-nitsoaka

Nisy nahita mihazo an’Ankadimbahoaka


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Rehefa niara-tsy hita nandritry ny fotoana maro dia nisy nahita teny Ambohitsoa Mahazoarivo

ny mpifankatia tsy ampy taona niara-nitsoaka niala ny fonenan’izy ireo ny tolakandron’ny sabotsy teo. An-dalana mihazo an'Ankadimbahoaka no fahita azy ireo, hoy ny nitatitra ny vaovao tamin’ny rain’ilay zazavavy, 16 taona antsoina hoe Rianala. Niangavy ireo eny amin'ny manodidina an’Ambohitsoa, Mahazoarivo, Androndra, Ankadimbahoaka, Fasan'ny karana, noho izany, ilay raim-pianakaviana hampandre raha mahita ireto mpifankatia lahy sy vavy tsy ampy taona niara-nitsoaka ireto. Ny marainan'ny Alarobia 30 aprily teo, raha efa lasa naterina nianatra i Rianala no nandalo tao an-trano io bandy io nitady azy, hoy ny fanamarihan’ny fianakavian’ity tovovavy ity. Tsy nianatra io bandy io ny Alarobia maraina. Rianala kosa mbola tany am-pianarana. Ny atoandro dia niara-tsy hita ry zareo. Fohifohy, 1,50 metatra i Rianala, fotsy fihodirana ka mora fantatra. Ilay bandy kosa 1,65 metatra. Raha hitanareo re ity ry izy roa dia modia fa tena mimpenimpenina ny ray aman-dreninareo. Milavo lefona izy. Tena mampalahelo, hoy hatrany ny fitarainana! Andrasana, araka izany, ny fanampim-baovao fanampiny mikasika ity tranga ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT