Sosialy

Mpidoroka zava-mahadomelina 12 taona no zandriny indrindra


  • Zoma 03 Mey 2019

Karazan-javatra iray zary fialambolin’ny ankizy sy ny tanora eto amintsika mihitsy ankehitriny ny fandraisana sy fidorohana zava-mahadomelina.

 

12 taona no kely indrindra amin’ireny, hoy ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny “Centre du Cure Aro Aina” etsy Andravoahangy. Efatra isan’andro raha kely no entin-dray aman-dreniny na ny mpanabe azy manatona azy ireo mba hotsaboina sy ahafahana amin’izany. Amin’ny ankapobeny, manana  olana ara-pahasalamana na lasa manao herisetra be ilay ankizy vao mahafantatra ny manodidina.  Ankizy tsy dia tsara fifandraisana amin’ny ray aman-dreniny avokoa ireo ankizy ireo raha ny fanazavany hatrany, antony mampanaotao foana azy. Voatery  mitady fitiavana sy zavatra mahafinaritra any ivelany ny ankizy ka anisan’ireny ny fidorohana zava-mahadomelina. Sarotra anefa ny mitsabo ireo ankizy voafatotr’izy io raha araka ny fanadihadiana natao. Roa volana raha kely no hikarakarana azy ireny miampy tohana ara-tsaina, misy mahatratra 12 volana ny an’ny sasany. Miantso ny ray aman-dreny rehetra mba hanatsara ny fifandraisany amin’ny zanany, araka izany, ity dokotera iray ity. Rehefa voafehy ny fidorohana dia hitsahatra ho azy ny herisetra.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT