Sosialy

Mpibodo tany resy teo amin’ny fitsarana Tsy niraharaha ny didy, hoy ireo mponina


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Tany maherin’ny 3 ha no lasan’ny orinasan-tserasera iray any Salazamay Atsimo ao Toamasina na dia efa nahazo rariny tamin’ny Fitsarana aza ireo mponina nanajary ny tany efa an-taonany maro, araka ny fitarainan’ny solontenan’izy ireo, niakatra aty Antananarivo.

 

Nambaran’ireo mponina fa notsinontsinoavina ny didim-pitsarana ary tsy nandray ny andraikitra tandrify azy ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fitsarana ao Toamasina mikasika ity raharaha ity. Nanjary « dossier classé » mihitsy aza izy io vao tonga tao amin’ny fitsarana. Manampy trotraka koa ny famarotan’ny « receveur »-n’ny Domaine io tany io, amin’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity, hoy ny solontenan’ireo mponina. Ny sabotsy teo dia norahonana hosamborina sy hampidirina am-ponja ireo vahoaka malagasy tompon’ny tany, araka ny fitarainana hatrany. Araka ny sarintany dia ampahan-tany kely no an’ilay orinasan-tserasera, nefa aty aoriana, nofaritany avokoa ireo faritra onenan’ny mponina ao Salazamay Atsimo, izay mirefy 3 ha mahery, araka ny ambentin-tenin’ireo solontenan’ny mponina tonga eto an-drenivohitra. Efa natetika niakatra fitsarana mantsy ny fifanolanana momba ny tany teo amin’ireo mponina sy ny orinasan-tserasera iray ity, saingy nahazo rariny hatrany ireo vahoaka fa tsy noraharahian’ilay orinasan-tserasera io didim-pitsarana nivoaka io, araka ny fanampim-panazavana. Tompon’antoka tanteraka amin’ity ny eo anivon’ny fitsarana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao. « Voatondro ho miala andraikitra, kanefa tsy afa-miala momba ity raharaha fibodoana tanin’olona ao Salazamay Atsimo ity ny fitsarana ao Toamasina », hoy hatrany Jaobelina solontenan’ny mponina lasibatra. « Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mahefa izahay, fa lasan’ny mpanambola avokoa ny tany raha mitohy izao », hoy ny fitarainan’izy ireo.

 

J. Mirija

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT