Sosialy

Mpiasan’ny « zone » ao Antsirabe In-droa nahita ny maizina, miantso vonjy


  • Talata 22 Septambra 2020

Diso fanantenana indray ireo mpiasan’ny orinasa afakaba iray ao Antsirabe omaly maraina raha niverina tany amin’ny toeram-piasany satria tapitra ny fe-potoana nolazaina azy ireo fa handehanan’izy ireo

 

 « fiatoana ara-teknika », noho ny hamehana ara-pahasalamana. 3 volana no efa niato tamin’ny asany izy ireo, ka omaly no tokony ho tapitra izany ary nanantena ny hiverina hiasa, saingy nambara indray fa tohizana izany hatramin’ny 03 manaraka ka mety ho any amin’ny janoary 2021 indray izy ireo vao mety ho fantatra ny hoaviny na tonga dia hiasa ny ahoana. Fa ankoatra izay, nampanantenain’ny filoham-pirenena ny « Trosa fameno », ihany koa ireto mpiasa ireto, ary dia nisy tokoa no nisitraka izany ka 2 hetsy Ariary isan’olona no nambara fa ho azon’izy ireo, saingy rehefa nomen’ny banky miara-miasa amin’ny fanjakana azy ireo ny itaratasim-bola hakana izany, ka navadika tany amin’ny bankin’izy ireo dia nostomin’ny banky indray ny hofan’ny kaonty ka dia zara raha nandray. Tao no zara raha nahazo 8 alina Ar vola roa hetsy ary ny sasany aza dia niala maina, hoy ny fampitam-baovao…. Velon-taraina tanteraka moa ireto mpiasa ireto, izay manodidina ny 1.000 any ho any ka miantsy ny tompon’andraikitra mba hijery akaky azy ireo.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT