Mpiasan’ny SMA

« Avoahy ny namanay, Aloavy ny karamanay ! »


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

Taorian’ny fikomiana noho ny fahatezeran’ireo mpiasan’ny

SMA (Société Municipale d’Assainissement) ny zoma teo, dia notohizan’izy ireo ny andron’ny sabotsy ny fitakiany, na teo aza ny fanambaran’ny ben’ny tanàna Ramanambitana Richard fa ny talata izao farafahatarany no azo ny karama, ary tsy maintsy handraisana fepetra ireo nambara fa nanao asa fanakorontanana. Manamafy ny fitakiana ny fandoavana ny karaman’izy ireo izay nambara fa tsizarizary an-taonany maro ireo mpiasa, ary nitaky ny famoahana tsy misy fepetra ireo naman’izy ireo miisa 4, izay nosamborina tamin’ny zoma. Nilaza ireo mpiasa fa tsy mbola navotsotra ny iray tamin’ireo mpiasa, izay voatazona any amin’ny Polisin’ny FIP. «Mampalahelo anay raha ny karama izay hatsembohanay no takianay kanefa dia izao ny mpitandro ny filaminana miandry anay. Ireo mpiasa izay nitaraina fa betsaka no niharan’ny herisetra, nodakadakana,… kanefa ny zony notakiany. Mbola nihantsona teny amin’ny Mikoja Foiben’ny SMA moa ireo mpitandro ny filaminana maro be ny sabotsy teo. « Malahelo izahay satria ny PDS nanao fanambarana tsy mba vahaolana mikasika ny karamanay no teneniny fa resaka hoe : misy mpikaraman’ady aminay, ka ianao PDS no angatahanay, niteny ianao tamin’ny 4 martsa hoe : amin’ny 7 martsa ny karama, ary tonga tato ny filoham-pirenena tamin’io. Hatramin’izao anefa 16 martsa tsy mbola misy karama, ary karama febroary io teneninay io ». « Mangataka hatramin’ny farany ny handoavana ny karamany sy ireo fotoana ary karama tapatapaka tao anatin’ny 3 taona izahay », hoy hatrany ireo mpiasan’ny SMA. Miantso ny mpitantana mba ho tonga saina ireo mpiasan’ny SMA izay tsy nitsitsy fitenenana sy nametra-panontaniana hoe : izao ve ilay Antananarivo tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT