Sosialy

Mpiasan’ny Sirama Brickaville sy Nosy be Mangataka ny fanafoanana ny fiaraha-miasa amin’ny Cie Vidzar


  • Zoma 15 Febroary 2019

Tantara lavabe no notaterin’ireo solontenan’ny mpiasan’ny Sirama avy any Brickaville sy avy any Nosy be niisa 10 tonga eto Antananarivo nirahan’ireo namany ka hitatitra ny zava-nisy marina naharary azy ireo ao amin’ireto orinasa ireto noho ny fikorontanam-piainam-pianakaviana vokatry ny

 

 

 

 “Chômage technique indéterminé” niainan’izy ireo ka tsy nandraisana karama nandritra ny taona maro. Mba velom-bolo ihany anefa izy ireo rehefa nifanaraka tamin’ny Compagnie Vidzar sy ny Sasm natsangany hiara-kiasa aminy hanarina an’ireto orinasa ireto raha nifanarahana fa hisy ny fanarenana ny orinasa sy fandoavana “dédomagement” 36 volana, ny famerenana ny fandriampahalemana tsy nahomby ary ny fanaovana  tolo-bidy vaovao sy mangarahara eo amin’ny fitantanana ny orinasa. Toa lasan-ko vavany fotsiny sy fampanantenana  poakaty  anefa  izany fifanarahana rehetra izany, hoy ny feo heno tetsy Andrefan’Ambohijanahary omaly, fa ny hetsika fanovana notarihan’ny depiote niisa 73 teny amin’ny 13 mey  no nanampy ny mpiasa sahy nijoro nanohitra ny ramatahora ka nitadiavana fiaraha-miasa hafa nahazoana nandoa ny karama 36 volana ary  nahazoana nandoa ny karama rehetra hatramin’izao hitenenana izao. Mangataka ireto solontenan’ny mpiasan’ny Sirama ireto ny hanafoanana ny fiaraha-miasa amin’ny Compagnie Vidzar sy ny Sasm natsangany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT