Sosialy

Mpiasan’ny SECREN Antsiranana Mitaky ny fialan’ny Tale Jeneraly Ntsay Abel


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Nangotraka ny grevin’ny Mpiasan’ny SECREN (Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navale ) any Antsiranana ny talata teo.

Nilaza ho leo ny fampantenana poak’aty sy ny fandrirarirana satria roa volana tsy nahazo karama, ka tonga hatrany amin’ny fitakiana ny Fialan’ny Tale Jenealin’ny Orinasa Atoa Ntsay Abel. Tsy mbola nandray karama ny mpiasan’ny orinasa SECREN ao Antsiranana, roa volana taorian’ny fihaonana ny 06 septambra lasa teo amin’ny Solontenan’ny mpiasa, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Atoa Ntsay Abel, ary ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria Edgard Razafindravahy, hoy ireo mpiasa. Notsiahivin’izy ireo mantsy, fa neken’ny Tale Jeneraly ny fandoavana karama isam-bolana avy amin’ny orinasa mitohy, ary ny Fanjakana kosa no handoa ny karama tany aloha mbola tsy voahefa mandeha 50% isaky ny mandoa. Nisy ny fifanarahana tamin’ny 5 oktobra, ka mavandy aminay ny orinasa sy ny Tale Jeneraly, tsy noterena izy nanaiky izany, hoy ireo mpiasa. Sahirana ny mpiasa, sahirana ny vady aman-janaka,… Tsy maty tanteraka fa mbola mahavita miodina, afaka mamelona ny mpiasa ny orinasa, hoy izy ireo. Milaza ho ampifilafilaina lava ireo mpiasa. Tondroin’ny sendikan’ny mpiasa ho tsy mahavita, tsy mahatondra, ka tokony hametra-pialana ny Tale Jeneraly Atoa Ntsay Abel. Izahay tsy mahazo karama, tsy mahazo zo,… io anefa misy “caisse noire” misy fanodinkodinam-bola izany ao, hoy izy ireo, izay milaza fa ramatahora no azo, voaantso any amin’ny polisy sy ny zandary vao miteny,… Nangotraka anefa ny fitakiana ny talata teo, tsy nihambahamba niantsoantso ny fanesorana an’Atoa Ntsay Abel, izay marihina fa rahalahin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT