Anisan’ny vaovao nitana ny sain’ny maro hatramin’ny omaly ireo mpiasan’ny PMU Madagascar miisa 800 voatery naato tampoka
tamin’ny asany vokatry ny fikatonan’ny toeram-piasan’izy ireo nanomboka ny alatsinainy folakandro teo. Baiko azon’ireo mpiandraikitra ny toeram-pivarotana izany raha araka ny fanadihadiana natao, tsy nisy antony mazava. Nivorivory nanoloana ny PMU Madagascar Antsakaviro avokoa ireo mpiasa rehetra niandry izay ho tohiny, hetsika nitohy hatramin’ny alarobia. Nivadika tampoka anefa ny rasa omaly alakamisy maraina. Araka ny resaka nifanaovana tamina mpiasa iray dia nantsoina izy ireo ary nilazana fa hisokatra indray. Anio zoma hoy hatrany ity mpiasa iray ity vao mety hiverina hiasa izy ireo raha tsy misy ny fiovana. Raha ny tombana moa dia heverina fa tohin’ilay raharaha fahatapahan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny PMU Madagascar sy ny PMU Frantsa izao trangan-javatra misy izao. Raha tsiavihina, taorian’ny tsy fifanarahana teo amin’ny fikambanan’ny mpiompy soavaly eto Madagasikara (AHCEL) sy ny PMU Madagascar, dia tapaka ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Ny Ahcel izay tompon’ny fitrandrahana ny hazakazaka-tsoavaly eto Madagasikara. Na dia niakatra fitsarana tany Frantsa aza ny raharaha, dia tsy nahazo rariny ny PMU Madagascar. Efa nanapaka ny fiaraha-miasany tamin’ny PMU Madagascar ihany koa ny PMU France ary ity farany dia efa nandrara ny tsy fahafahan’ny PMU Madagasikara mampilalao amin’ireo hazakazaka any Frantsa karakarain’izy ireo. Vao nanamafy izany moa ny PMU France tamin’ny fiandohan’ity taona 2020 ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.