Sosialy

MPIASAN’NY PMU Mahatsiaro voafitak’ireo mpampiasa azy, mitaky ny zony


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Mahatsiaro tena voafitak’ireo mpampiasa azy feno ireo mpiasan’ny PMU miisa 800 nahazo fampitam-baovao fa mandeha sômazy teknika mandritra ny 3 volana raha mampidi-bola ara-dalàna izy ireo isan’andro.

 

 

 Tsy sômazy  teknika anefa no ao ambadik’izay, hoy izy ireo raha nandeha nitaky ny zony teny Ankorahotra omaly fa tena fampiatoana azy ireo amin’ny asany mihitsy. Taorian’ilay fitokonana notanterahin’izy ireo herinandro mahery lasa mantsy izay dia nantsoina indray izy ireo fa hiverina hisokatra ihany ny PMU Madagascar. Tsy nahatratra herinandro  anefa no nanohizan’izy ireo ny asa dia tonga indray ny taratasy avy amin’ny minisitera milaza fa fanakatonana tanteraka no hampiharina amin’ity orinasa ity. Miandry izay fanapahan-kevitry ny orinasa ny amin’ny tokony handoavana ny zony ireo mpiasa miisa 800 ireo izay marihina fa renim-pianakaviana avokoa ny ankamaroany. Ny olana anefa, hoy izy ireo dia  tsy mety hihaona amin’izy ireo mivantana ilay Ramatoa  mpitantana ny orinasa raha voalaza fa efa lasa any am-pitandranomasina kosa ilay teratany vahiny voalaza fa tena tompon’ny orinasa.  Isaky ny midify misakafo atoandro  ireto mpiasa tonga mitaky ny zony vao mipoitra izy ary tsy avelany idirana ny birao, hoy hatrany ny vaovao. Manao antso avo ny amin’ny tokony handoavana ny zony reto mpiasan’ny PMU   miisa 800 ireto.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT