Sosialy

Mpiasan’ny orinasa SIRAMA Miandry ny vahaolana avy amin’ny fanjakana


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Niakatra aty Antananarivo mihitsy ireo solontenan’ny mpiasan’ny orinasa SIRAMA Nosy Be sy Brickaville hangataka fihaonana amin’ny fitondram-panjakana.

 

 

 Nanambara izy ireo omaly alarobia 27 martsa tetsy Anosy fa misy tsaho naely amin’ny haino aman-jery sasany izay milaza fa tsy ara-dalàna ny fitokonan’ny mpiasa. Misy ihany koa, hoy izy ireo ny lainga afafy etsy sy eroa ka nilazana hoe mpiasa 50 monja no mitokona ary 600 ny olona ampiasain’ny Kaompania Vidzar. Tsy marina izany rehetra izany, hoy izy ireo. Olona 2 notambazana vola no tsy manao grevy any fa ny mpiasa iray manontolo dia mitokona avokoa.  Tsiahivina fa efa am-bolana maro ity tolona ataon’ny mpiasa ity ary mitohy tsy mety milamina hatramin’izao. Miandry ny fahaiza-manaon’ny fanjakana izy ireo amin’izao ary mangataka ny hanafainganana ny fitsirihana (audit) ataon’ny tompon’andraikitra. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy tokony hisy intsony ny kitranoantrano amin’ny mpiara-miombon’antoka Kaompania Vidzar izay fositra nanmpitotongana ny orinasa hatramin’izao. Tofoka tanteraka ireo mpiasa mitolona ary nilaza mihitsy fa fanapotehana no atao fa tsy fanarenana raha mbola ny Kaompania Vidzar no hiarahana miasa. Antso avo no ataon’izy ireo ary mangataka amin’ny fanjakana handray vahaolana haingana. Efa betsaka ny fanairana sy ny fitarainana nataon’ireto mpiasa ireto nandritra izay 9 volana izay saingy hatreto aloha dia tsy misy valiny mahafapo sy fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny fitondrana mihitsy.  

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT