Sosialy

Mpiasan’ny orinasa KRAOMA Mahatsiaro ho voafitaky ny filoham-pirenena


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Mahatsiaro ho voafitaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ireo mpiasan’ny

 

 

orinasa Kraomita Malagasy any Brieville Tsaratanana. Talohan’ny fifidianana filoham-pirenena mantsy dia tonga tany an-toerana ny filoha hoy Ramarimanana Mario, delegen’ny mpiasa ary nampanantena fa hijery manokana ny orinasa Kraoma. Nahatratra 80 % ny vato azon’ny filoha tamin’ny mpiasa vokatr’izany fampanantenana nataony izany saingy hatreto dia nijanona ho resabe fotsiny izany. Efa 11 volana tsy nandray karama mantsy ireo mpiasan’ity orinasa ity, raha efa 18 volana no tsy niodina ny orinasa. Manam-bady aman-janaka avokoa anefa ireo mpiasa izay efa mahatrata 400 isa ankehitriny ary efa miroso amin’ny fivarotana ny entana ao an-tokantranony avokoa mba havadika ho sakafo. Efa nisy moa ny fitakiana nataon’izy ireo hatramin’izay saingy tsy nisy mpihaino.Anisan’izany ny dingana nataon’izy ireo teny anivon’ny inspection de travail ary efa voaantso izy ireo tamin’ny 20 oktobra lasa teo. Nandritra izany hoy ireo mpiasa no nilazan’ny tale jeneraly fa tsy mahita vahaolana izy ka mitodika any amin’ny fanjakana indray ireto mpiasa ireto. Hanao hetsika tsy hitsahatra ao amin’ny foibeny etsy Anosy araka izany izy ireo mandrapivalin’ny fitakiana. Nomarihin’izy ireo moa fa efa nisy ny fampanantenana nomena azy ireo toy ny hoe mbola eny an-dalana ianareo dia efa tonga any aminareo ny karama nefa mandraka androany mbola tsy tanteraka izany. Efa tonga teny anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ihany koa izy ireo fa mbola nijanona ho resaka fotsiny ihany izany hoy Razafimamy Prisca, delegen’ny mpiasa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT