Mahatratra 200 000 mahery ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba eto amintsika amin’izao fotoana ka eto an-drenivohitra avokoa ny ankamaroany.
Misy amin’izy ireny no mpivady izay miara-very asa avy hatrany raha sanatria tojo olana raha misy ihany koa ireo mpihavana. Mbola betsaka anefa ny olana sedrain’izy ireny ankehitriny, izay mampitaraina ny maro tokoa.Ankoatra ireo hiharan’ny fandrahonana isan’andro fa mety ho voaraoka amin’ny asany mantsy raha vantany vao misy tsy mety kely hataony dia zara raha mahazo karama ihany koa ny sasany. Ho ana orinasa afaka haba iray eto an-drenivohitra izay vao nitsangana 2 taona izay dia nambaran’ny Renim-pianakaviana mpiasa ao aminy iray fa fahoriana isan’andro no hiainany sy ireo mpiara-miasa aminy. Avy hatrany dia fandroahana mantsy no miandry raha vantany vao misy olana raha tsy misy mpiahy ihany koa izy ireo rehefa tojo tsy fahasalamana. Manginy fotsiny hoy hatrany ity Renim-pianakaviana ity ny fanajana ny zon’olombelona izay miaro herisetra ara-tsaina mihitsy indraindray. Miantoka ny fampiodinana ny toekarem-pirenena anefa ny asan’ireny mpiasan’ny orinasa afaka haba eto amintsika ireny koa manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo mba hanara-maso akaiky ireo mpampiasa azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.