Sosialy

Mpiasan’ny Kraomita 26 volana tsy nandray karama


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Nanapa-kevitra ny hanangona ireo vy manodidina ny toerana misy ny orinasa ireo mpiasa any amin’ny Orinasa Kraoma any Brieville,

toerana misy ny fitrandrahana kraomita. Antony ny tsy mbola naharaisina ny karama 26 volana ka nanaovan’izy ireo izany fihetsika izany omaly. Io no heverin’izy ireo fa vahaolana azo atao hivelomana sy halelomana fianakaviana amin’izao fotoana izao satria efa 26 volana no tsy nandray karama. Nosakanan’ny mpitandro fikaminana anefa izy ireo tamin’izany fikasana izany satria voalaza fa fananam-panjakan ireo ka tsy azo alaina sy tsimonina. “Niteraka savorovoro kely ny zava-nisy saingy tsy nisy anefa ny fifandonana fa fifanazavana no natao”, hoy ny akom-baovao avy any an-toerana. Efa hatry ny ela no nanao fihetsiketsehana sy fitokonana ny amin’ny mba tokony hijerena vahaolana ho azy ireo ireto mpiasan’ny Kraomita ireto. Na ireo mpiasa eto Antananarivo azy dia am-bolana maro no nanao fitokonana sy nametraka sora-baventy tetsy Ampefiloha izay misy ny foiben-toeran’ity orinasa ity saingy tsy nisy vokany izany, hoy hatrany ny fanamarihana. Ny olana ara-ekonomika izay sedrain’ny orinasa vokatry ny tsy fisian’ny famokarana sy fanondranana kraomita moa no isan’ny antony mahatoga ny izao toe-javatra izao, raha ny fanampim-panazavana hatrany. Ity orinasa ity izay toa tratry ny tantely afa-drakotra, hatramin’ny volamena notehirizina tany, voalaza fa tsy latsaky ny 40kg ny tahirim-bolamena notehirizina tao no nanjavona ankoatra ireo mety tsy hita talohan’ny 3 taona lasa.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT