Sosialy

Mpiasan’ny kaominina Antsirabe 12 volana tsy nandray karama


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Nihamafy ny fitokonana notanterahin’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Antsirabe amin’izao fotoana.

 

 

Tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony ny asa ary lasa tanàna maloto Antsirabe ambonivohitra, noho ny fivangongon’ny fako ary miparitaka ny loto. Antony mahatonga ny fitokonana, dia noho ireto mpiasa ireto tsy nandray ny karamany nandritry ny 12 volana, hoy ny fanazavana.  Nambarany fa tsy mahavaha ny olan’ny mpiasa ny ben’ny tanàna ary ity farany izay tsy nandray ny asany tao anatin’ny 3 volana izao.  Velon-taraina ireto mpiasa ireto fa tena sahirana tanteraka izy ireo, nefa hampiditra mpianatra, ny vola tsy misy. Hihamafy io fitokonana io, hoy ny tatitra voaray ary efa nanome fe-potoana an’ny mpitantana ny tanàna, ireto mpiasa, mba hanefa ny karaman’izy ireo. Ankoatra izay, takian’izy ireo koa ny famoahana ny naman’izy ireo izay nogadraina, noho ny fitarihana ireo mpiasa nitokona. Avoahy ny namanay, hoy izy ireo tamin’ny feo hentitra. Andrasana indray ny mety ho tohin’ny raharaha. Mikatso tanteraka noho izany ny asa rehetra ao amin’io kaominina io.

Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT