Sosialy

Mpiasan’ny Jirama 359 voaroaka Fanaovana fahadisoana goavana no antony


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Manoloana ny hetsika nataon` ny farimbon-tsendikalin` ny JIRAMA, nilaza ny amin` ny fitantanana foibe fa tsy mitombina ny fitakian` ireo sendikà ireo indrindra ny iray amin'ireo fangatahana sendikaly izay mikasika ny fandroahana mpiasa izay heverina fa tsy marim-pototra. Raha ny tatitra voaray dia nanomboka ny taona 2016

 

 no nisy fanasaziana mpiasa teo anivon`ity orinasam-panjakana ity. Mpiasa miisa 359 nanao fahadisoana goavana miverimberina teo anivon`ny orinasa. Raha ny taona 2018, 76 ireo mpiasa no voasazy, ny taona 2017, niisa 145 izy ireo ary ny taona 2016, nahatratra 138 Raha voalaza ao anatin`ny tatitra dia fanaovana hosoka antontan-taratasy, mpiray tsikombakomba amin`ny halatra, fanodikodina fitaovan` ny orinasa,  tsy manaja ny ambaratongam-pahefana, fifandraisana tsy ara-dalàna sy fifamoivoizana ny herinaratra, kolikoly, fanitsakitsahana ny fepetra sy ny tsy fitandremana amin'ny fanatanterahana ny adidiny. Araka ny loharanom-baovao iray, voahaja ny lalàna momba ny asa tamin’ ny fanasaziana sy fandroahana mpiasa teo anivon`ny orinasa. Ny fitsipika amin'izao fotoana izao dia milaza fa izay rehetra manitsakitsaka ny fitsipi-pifehezana dia voasazy. Ao amin'ny orinasa JIRAMA, miisa enina ny sokajina sazy : fampatsiahivana ny lamina, fampitandremana am-bava, fampitandremana an-tsoratra, fiantohana amin`ny fotoana voafetra, fandroahana miampy filazana (licenciement avec préavis) sy ny fandroahana tsy misy filazana (licenciement sans préavis).  Mahakasika ny fanelanelana nataon` ny sampandraharaha mpanara-maso ny asa (inspection de travail), ny sendikà dia nitaky ny fijerana manokana ny momba an` ny mpiasa iray nahazo fandrohana saingy nilaza ny “inspection” fa maro ireo dosie arahina maso ka tokony hitovy zo avokoa. Nanamafy kosa ity sampandraraha ity fa tsy afaka miditra an-tsehatra amin`ny fanesorana ny tale jeneralin`ny orinasa izy ireo. Marihana hatrany fa ny farimbon-tsendikalin` ny JIRAMA dia tsy nety nihaona tamin`ny solontenan`ny orinasa.  Miantso amin`ny fifanatonana hatrany kosa ny ministera mpiahy.

 

Legende: (sary fanehoana)

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT