Sosialy

Mpiasan’ny Fiadidian’ny Repoblika Niara-nifaly tamin’ny Filoha mivady


  • Talata 24 Desambra 2019

Ny krismasy dia andro iray hankalazana ny nahaterahan’i Jesosy Kristy, ka izay no mahatonga antsika eto.

 

 

Andro lehibe hizarana ny mamy, hafaliana, fanomezana, hirariana soa,… Fetim-pianakaviana hiaraha-mifaly amin’ny namana sy tapaka. Herintaona latsaka izay no niarahantsika niasa indray. Maro taminareo no tsy natory andro sy alina, nandeha lavitra mihitsy noho ny iraka nampanaovina, hoy ny Filoha mantsy ireo mpiasan’ny fiadidiana ny Repoblika.. Misaotra ny vady aman-janakareo ihany koa. Andro iray ao anatin’ny taona anefa no mba hahafahana mihaona amin’ny vady aman-janaky ny mpiasa, hoy izy. Nambarany fa niasa mafy izy ireo mba hahafahana mampandroso ny firenena. Nirary soa sy nanome fanomezana ho an’ireo mpiasan’ny fiadidiana ny Repoblika ny tenany. Ho andro hiravoravoan’ny kely sy ny lehibe, ary hampiray fo sy hampiray saina antsika ato amin’ny fiadidian’ny Repoblika izao, hoy hatrany i Andry Rajoelina. Nisy ihany koa omaly hariva ny noelim-pifankatiavana niarahan’I Andry Rajoelina 5 mianaka tamin’ny mponin'Antananarivo nanoloana ny Lapam-panjakan' Ambohitsorohitra.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT